INDRAY MIJERY

Nandrafitra paikady vaovao momba ny ady amin’ny tazomoka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Voarakitra ao anatin’io ny fomba fandraisana an-tanana ireo marary. Ampiharina eny amin’ny tobim-pahasalamana rehetra eto Madagasikara izany paikady izany. Teny amin’ny Homi(CenHoSoa) no nanaovana ny fifampizarana mikasika izany.
Ao anatin’ny fotoanan’ny fialantsasatra, mamonjy morontsiraka na midina any ambanivohitra ny ankamaroan’ny olona. Manentana ny mba hiarovana ny tena hatrany amin’ny kaikitry ny moka anaty lay rehefa matory na amin’ny alina na amin’ny atoandro ny dokotera. Tanjona ny mba ho salama hatrany rehefa miverina avy miala sasatra.
Nampanontany tena ny rehetra ny loharano nipoiran’ny fivoahan’ny laza adina mialohan’ny fotoana, omaly. Ireo mpampianatra nandrafitra izany mbola anaty fihibohana tsy tokony hisy mampiasa na dia finday aza. Ny fakana ny laza adina isa-maraina miaraka amin’ny mpitandro filaminana. Tsy tokony ho vita mora ny tohin’ny raharaha.
Hatramin’ny alahady izao ny fara-fandraisan’anjara ho an’ireo fikambanana manodidina ny orinasa Ravinala Airports maniry ny handray anjara amina fifaninanana tetikasa fanabeazana, tontolo iainana ary fiarahamonina. Voakasik’izany ireo fikambanana manodidina ny kaominina Ivato, Talatamaty, Ambatolampy Tsima­ha­fotsy ary Anosiala.

Partager sur: