«Lalaon’ny Frankofonia» : mbola baraingo ny amin’ny Barea de Madagascar

Neken’ny filankevitry ny minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny “Lalaon’ny Frankofonia” andiany fahasivy, hotontosaina ny 28 jolay – 6 aogositra ho avy izao, any Kinshasa, RD Congo.

Afaka fito andro, hanomboka ny lalaon’ireo firenena miteny frantsay, « Jeux de la Francophonie 2023 » andiany fahasivy. Ha­tra­min’izao, tsy fantatra raha mandray anjara amin’ity fifaninanana hotanterahina any Kinshasa, ny 28 jolay – 6 ao­gositra ho avy izao ity ny Barea de Madagascar U-20.
“Hatramin’izao, tsy mbola nandrenesana vaovao mom­ba izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena. Miezaka ny mampivondrona ny mpilalao ihany nefa izahay raha toa ka misy ny fandehanana tampoka”, hoy ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly.
Marihina fa miisa 78 ireo olona mandrafitra ny delegasiona malagasy miatrika ity lalao ity. Miisa 34 ny atleta, 14 ny mpanaraka teknika “encadreur”, mpanakanto 22 sy ireo “encadreur” roa, miampy ireo solontenam-panjakana enina.
Tsara ny mampahafantatra fa ny minisiteran’ny Toe­karena sy ny Fitantanam-bola no miantoka ny fandaniana amin’ny fijanonan’ireo solontena malagasy any an-toerana ireo.
Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona A ny misy ny Barea, i RD Congo sy i Congo ary i Canada .

Miisa dimy ny mpanao atletisma
Ankoatra izay, fantatra fa miisa dimy ireo mpanao atletisma miatrika ny “Lalaon’ny Frankofonia”, raha ny vaovao voaray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny atletisma. Araka ny fanadihadiana natao, miisa valo izy ireo ka mpanazatra ny iray ary “Staff technique” ny roa. Tsiahivina fa tamin’ny taona 2017, medaly 3 ihany no azon’ny delegasiona malagasy, medaly volafotsy 1 sy alimo 2.

Fitia

Partager sur: