Velon-taraina tanteraka amin’ny tsy firaharahiana ireo atleta izy ireo. Tonga niray feo sy nanao antso avo, izay nahitana ny taranja fibatana fonjamby, karate, tolona, rugby, tenisy ambony latabatra, Ady totohondry, lomano, basikety, volley, handball, tenisy,…Tsizarizary, hoy izy ireo, ny fikarakarana ny atleta, na rano sotroina aza tsy misy. Mametra-panontaniana hoe fa fifaninanam-pirenena ve sa lalaon’ny Nosy ilay ho atao? Manao antso avo, araka izany, ireto taranjam-panatanjahantena ireto sy ny KOM mba tsy hamitahan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjaantena ny filoham-pirenena. Tokony tsy hataon’ny MJS an-tsirambina ny fampiharana ny velirano faha-13. Vola 16 miliara ariary no nangatahana ho an’ny lalaon’ny Nosy, 8 miliara ihany no nankatoavina. Etsy ankilany, tsy mahazo fanampiana ny federasiona ary mialoka amin’ny fanampiana ataon’ny minisitra mpiahy ny MJS, hoy hatrany ny fitarainan’izy ireo. “Raha hampijaly atleta,izay hiaro ny voninahi-pirenena, aleo tsy misy”, hoy hatrany ny antso avo.
Mi.Raz