Anisan’ny fepetra raisin’ny fanjakana hanatrarana ny fe-potoana telo herinandro ny fampitomboana ho 100 ny isan’ ny fiarabe mpitatitra solika “fuel”. Hampitomboana koa ny tahirin-tsolika.
Nitondra fanazavana, omaly, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Andriamanampisoa, mikasika ny tenin’ny filoham-pirenena hanafoana ny delestazy ao anatin’ny 3 herinandro. Nitombo be ny isan’ny mpanjifa, ka isan’ny mahatonga ny delestazy ny tsy fahampian’ny vokatra herinaratra avy amin’ny tohodrano, satria mitsahatra ny ranonorana. Hijery ny haavon’ny rano any Andekaleka sy Mandraka ny minisitra. Tsy ampy ny herinaratra vokarin’ny toby mandeha amin’ny masoandro any Ambatolampy, satria maloka ny andro amin’izao ririnina izao. Zara raha mamokatra 10 MW raha tokony ho 40 MW. Koa, lasa mitombo ny famokaran’ny milina mandeha amin’ny solika.
Fahatapahana ara-teknika
Tsy ampy anefa ny fiarabe mpitatitra solika «fuel», HFO, mamatsy ny milina mamokatra herinaratra. Manodidina ny 80 ny fiarabe ilaina, satria 20 isan’andro no miantoka ny famatsiana avy any Toamasina mankaty Antananarivo, mandritra ny efatra andro eny an-dalana. Mila ampitomboana 20 ireo, ka miisa 100 vao tena azo antoka ny famatsiana. Efa noresahana ny orinasa LPSA, miantoka ny fitaterana solika ny hampitomboana ny isany. «Raha feno io isan’ny kamiao mpitatitra 100 io, ho azo antoka fa tokony tsy hisy intsony ny delestazy afaka roa herinandro. Na izany aza, tsy maintsy misy ny fahatapahana ara-teknika fa tsy delestazy ireny», hoy ihany izy.
Ankoatra ireo, notsipihin’ ny minisitra fa hampitomboina ny tahirin-tsolika mba hisorohana ny tranga toy izao. Mandritra ny 15 andro ny tahiry hatramin’izay, ka azo hatao tsara ny manitatra izany fetr’andro izany, rehefa hitombo ny isan’ny fiarabe mpitatitra.
Njaka Andriantefiarinesy