Rohinkanto: hoentina an-tsehatra ny tantara amin’ny Radio

Tafatsangana ny Rohin­kanto ivondronan’ireo mpilalao tantara fandefa amin’ny Radio, mpilalao sarimihetsika, teknisianina amin’ny fikiraki­rana ny feo ary mpanatontosa fandaharana amin’onjampeo. « Samy matihanina sy manana traikefa matanjaka amin’ny asany avokoa ireo mivon­drona mandrafitra ny Rohin­kanto raha ny fanazavan’i Ony Miha­janirina, iray amin’ireo mpikambana.
Nambarany fa : « izy ireo no mivondrona, miketrika, manatanteraka ny fitondrana eny an-tsehatra ireo tantara fandefa an’onjam-peo. Amin’ izay fotoana izay, manakaiky ny mpitia sy mpankafy tantara izahay. Afaka mitafa mivantana amin’izy ireo. Maro rahateo ny te hahita sy hiresaka aminay. Izahay koa te hahita anareo rehetra ».
Mpikambana mivondrona ao anatin’ny Rohinkato i Ari­kom’s Randria, Arlivah, Hanja­riliva, Ony Mihajanirina, Vanin­tsoa ary i Lémec. Tantara an-tsehatra, hira, tononkalo, ha­tsikana, dihy malagasy. Ireo no mameno ny sehatra mandritra ny seho hiarahana amin’ ny Rohinkanto.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: