Sary sokitra : fanandratana ny asa tanana vita malagasy

Miseho amin’ny endriny maro ny asa sokitra. Vita amin’ny hazo sy vato ary fitaovana mafy miaraka amin’ny haingo hafa isan-karazany izany. Ahodina mba hahazoana endrika sy sary ara-javakanto amin’ny endriny maro samihafa.

Ho an’i Madagasikara, tsy mitovy ny fanaovana ireo sary sokitra manerana ny faritra eto amin’ ny Nosy. Ahitana izany betsaka any amin’ny faritra avaratra, atsimo ary eto afovoantany. Ny faritra Ambositra no tena ivon’ny fanaovana izany amin’ny ankapobeny. Vita amin’ny voana mangahazo, hazo tsy fahita firy na sarobidy, tandrok’omby, voan-javamaniry isan-karazany… izany. Ahavi­tana endrika ara-javakanto maro (sarivongana, sarin’olona, fanaka, andrin-jiro, sary hosodoko, tsangambato fandevenana, haingon-trano, kilalao …).
Anisan’ny mampiseho ny asa sokitra ny Zar’art & Deco etsy Analamahitsy. Any amin’ny faritra Sava no faritra hanaovana sy hanodinan’izy ireo ny hazo ho lasa endrika sy sary ara-javakanto. “Nanao ny asa nandritra ny herintaona izy ireo noho ny tsy fahampian’ny fidiram-bola sy fitiavana mikaroka”, hoy ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ ny Zar’art & Deco eny Anala­mahitsy, Rafenomanana Zarah, raha nanontaniana teny By pass, omaly, nandritra ny “Tsenabe By pass”. Manao sy manohy ny asa rehetra momba ny hazo ho lasa fanaka sy asa sokitra izy ireo. Mampiasa ireo karazan-kazo sarobidy rehetra (andramena, voamboana, ébène, andrampotsy) izy ireo. Mampiasa ireo tapa-kazo sy poti-kazo nijanona nandritra ny fotoana ela, amin’ny ankapobeny, mba hisorohana ny fanapahana sy fandripahana ala, raha ny fanazavana. Anisan’ny mampiavaka azy ireo ny vokatra mampiseho ny harenan’ny firenena (zava-maniry, karazam-biby, vokatra, fitaovana ampiasain’ny Malagasy…). Tanjona ny hanandratana ny taozavatra sy ny asa tanana malagasy ary hampisehoana ny haren’ny firenena. Azon’ny rehetra atao haingon-trano sy atao fitaovana fampiasa eo anivon’ny tokantrano ny tena hividianan’ny mpanjifa ny vokatra, raha ny fanazavana. Anisan’izany, ny tasy, ny kaftera, ny vilany, … Azo hisakafoana ihany koa ny sotro sy ny sotro rovitra. Tsy miteraka aretina mety hahazo ny olombelona ny fampiasana azy.

Ankoatra ny vahiny, maro ny Malagasy mankafy sy manjifa ireny karazana asa tanana ireny. Ireo sokajin’olona manan-katao no tena mpanjifa izany, raha ny fanazavana. Miezaka ny mpanao asa tanana mivarotra ny vokatra amin’ ny vidiny mirary mba hisarihana ny vahoaka malagasy hitia sy hanjifa ny vokatra avy eto an-toerana.

Asa mila fikirizana sy fikarohana
Alaina ny tapatapa-kazo, ary dinihina miainga avy amin’ izany ny zavatra mety ho vita. Tapahana arakarak’izany ny hazo mba hahazoana ny endrika tiana hotratrarina. Mampiasa lakaoly mba hanohizana ny asa, raha ilaina. Diovina ary asiana savoka avy eo ny asa tanana vita. Tsy mampiasa akora simika ny asa mba tsy hanimba azy. Mila fotoana maharitra sy fikirizana ary fikarohana ny fanatanterahana ny asa amin’ny ankapobeny. Takina amin’ny olona te hisehatra amin’ny asa ny fitiavana sy fahaizana manao sary, izay tena herin’ny hatsaran’ny taozavatra.

????????????????????????????????????

Kolontsaina

Efa hatramin’ny taonjato faha-18 ny fanaovana sokitra teto amin’ny firenena, raha ara-tantara. Niainga tamin’ny fanaovana asa sokitra “Aloalo”, nataon’ny foko Mahafaly, any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy, izany. Atsangana hanomezam-boninahitra ireo nodimandry izany. Ampiarahana amin’ ny fandrakofana ny velona amin’ny voninahitra. Tafiditra tao anatin’ny kolontsaina ary tena nanan-danja betsaka teo
amin’izy ireo fatratra ny fanaovana izany. Mampiavaka ny asa tanana vita malagasy ny hamafin’ny vokatra, ho lovan’ny taranaka fara mandimby, ny antony tena mandrisika ny olona hanjifa izany, raha ny fanazavana.

“Azo antenaina ny fanaovana asa tanana eto Madagasikara raha manao ny asany tsara ireo mpanao izany”, hoy ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny Zar’art & Deco eny Analamahitsy, Rafenomanana Zarah. Maro amin’izy ireny ny manao ny asa kitoatoa sy tsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, raha ny fanazavana. “Manenjika isa fotsiny ny ankamaroan’izy ireny ka antony mahamora simba ny vokatra vita malagasy”, hoy hatrany izy. Mahatonga ny tsy fitiavan’ny ankamaroan’ny olona ny asa tanana avy eto an-toerana ny zava-misy toy izany.

“Entanina ny tanora mba tsy hipetrapetra-potsiny fa hikaroka sy hanao taozavatra malagasy”, hoy hatrany izy. Nilaza izy fa ahafahana mitombo sy mivoatra ny fanombohana ny asa amin’ny kely indrindra.

Partager sur: