SOMBIM-BAOVAO

Telma Coupe, taranja baolina kitra. Ho­tanterahina ny volana septambra ho avy izao ny dingan’ny ampahefa-dalana ho an’ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ity. Tsara ny mampahafantatra fa izay tompondaka amin’ity no hisolotena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana Afrikanina 2024-2025.

Judo, handray ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “Cadets” sy “Juniors”, i Mada­gasikara. Ny 27 hatramin’ny 30 jolay izao ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina no hanatanterahana izany. Efa vonona ny ekipam-pirenena malagasy, anisan’ny andrasana ny ady ataon’ny tompondakan’i Afrika, Rasoanaivo Razafy Laura.

Basikety-Mada, hotanterahina ao amin’ny Kianja mitafon’i Soavita ao Toamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 16 taona lahy sy vavy, taranja basikety. Ny 22 hatramin’ny 30 jolay izao no hanaovana ny fifaninanana. Hatao anio zoma 21 jolay kosa ny fivoriana ara-teknika ary ny sabotsy 22 jolay izao ny fanokafana ofisialy.

Wesley Fofana, mpilalao Ivorianina, nifindra lasy any amin’ny Al Nassr klioba misy an’i Cristiano Ronaldo ny tenany. Araka ny fikarohana natao, omaly, izy ihany koa no mpilalao hamatsy vola ny Racing Club de Lens (RCL), klioba Frantsay Diviziona voalohany. Marihina fa ny RCL no klioba nahafantarana an’i Fofana.

Partager sur: