Niharan’ny fanendahana ny mpianatra iray avy nanao fanadinana bakalorea hamonjy fodiana eny Ankadindramamy, afakomaly hariva. Na dia efa nisy aza ny ezaka manokana nataon’ny mpitandro filaminana, mahita hirika foana ny mpanao ratsy. Nosintomin’ireo olon-dratsy teny aminy ny taratasy fahazoan-dalana hiatrehana fanadinana sy ny telefaonina.
Nidoboka am-ponja vonjimaika, afakomaly, ny mpanafika kamiao iray, eny amin’ny lalam-pirenena, RN4, tratra tao Ankazobe. Nitondra fitaovam-piadiana, notifirin’ny jiolahy ka maty ny mpamily ilay kamaio ny 3 jolay teo. Olona roa voasambotra ka nahazo fahafahafana vonjimaika ny iray.
Kamiao tapaka hisatra no tavela teo ambony tetezana Maromandray, kaominina sy distrika Mandoto, PK 85+100, RN34, afakomaly alina. Niteraka fitohanana nandritra ny fotoana naharitra ny famonjena ity fiara tra-doza ity. Manentana ny mpampiasa fiara ny tomponandraikitra hikojakoja ny fiarany mba ialana amin’ny loza sy ny fahasahiranana toy izao
Olona roa nosamborin’ny polisy vokatry ny fanimban-dalana tao Toamasina, afakomaly. Olona vao nahazo fiara no naniraka azy roa lahy hanala ireo dongona eny amin’ny sisin’arabe araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Potika anefa ny lalana ka izao niafara amin’ny fisamborana azy ireo izao.