VAOVAO TAMBATRA

Paikady fampandrosoana ny jono sinoa, fananganana orinasa ho an’ny jono maitso, fiompiana tilapia ary fampahafantarana an’i China. Nanatrika izany tany an-toerana ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert.

Nitsidika ny faritra Alaotra Mangoro, ny ala­tsinainy teo, ny masoivohon’ny firenena Indonezianina eto amintsika. Voaresaka nandritra ny fihaonany tamin’ ny governoran’ny faritra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fambolena, ny indostria ary ny fandraharahana.

Tena misy ny vorona papango manimba ny tariby Jirama mitondra herinaratra. Nanamafy izany ny minisitry ny Angovo, Andriamanampisoa Solo, omaly. Nidina ifotony izy ary nahita maso mihitsy teny Namontana sy Nandihizana, nihantona tamin’ny tariby mitondra tanjaka mahery vaika 35 000 Volts.

Hatao birao hiasan’ny sampana miandraikitra ny «Fonds souverain malagasy» FSM, ny rihana miisa telo etsy amin’ny tranobe Solima teo aloha, Antani­narenina. Voakasik’izany ny rihana faha-8, ny faha-9 ary ny faha-10. Hampiroboroboana ny asa fampandrosoana ataon’ny fanjakana ny vola ao amin’ny FSM, voafaritry ny PEM.

Partager sur: