Miara-miasa ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID), ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd), ny ao amin’ny Fitsarana ary ny Bianco. Voakasik’izany ny ady amin’ny kolikoly, ny trafikana harena voajanahary ary ny famotsiam-bola.
Natolotra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny antontam-baovao entina hiadiana amin’ny tsy fanarahan-dalàna momba ny tontolo iainana. Voarakitra ao anaty bokibe sy ny fitaovana niomerika (application) antsoina hoe « ALOE ». Voaangona ao anatin’ireo antontam-baovao daholo ny karazana lalàna mifehy ny tontolo iainana, ny fampiharana azy, ny famaizana, sns.
Namatsy vola ny tetikasa « Countering Corruption and Wildelife Trafficking » (CCWT) ny firenena Amerikana (USAID). Nanatanteraka azy ny WWF, tohanan’ny Alliance voahary gasy (AVG), ny Transparency international (TI)-Madagasikara ary ny TRAFFIC international.
Ho an’ny tale jeneralin’ny USAID eto amintsika, Anne Williams, nanohana ny tetikasa izy ireo satria hanatsara ny rafi-pitsarana ny fampiasana ny teknolojia vaovao. Hanamora ny asan’ny mpitandro filaminana rahateo izany. Nahatratra 72 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny USAID, hatramin’ny taona 2014.
Didim-pitsarana sahaza
Nilaza ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny AVG, Razakamanarina Ndranto, « tsikaritra fa tsy ampy hatramin’izay ny tena fampiharana ny lalàna ; satria lazaina fa tsy ampy ny vesatra, maro ny voarohirohy votsotra, ao ny raharaha tsy misy tohiny, sns. Koa, ilaina mihitsy ity antontam-baovao ity satria hanampy betsaka ny mpanao fanadihadiana « Officier de police judiciare » (OPJ). Sady ahafahan’ny mpampihatra lalàna, toy ny mpitsara, ohatra, mandray fanapahan-kevitra sy mamoaka didim-pitsarana tena sahaza ».
Nohamoraina koa ny fanazavana ny lalàna ao anatiny, ka tsy ho sarotra ho an’ny olona eny ifotony, ahafahany mitoroka, na mijoro vavolombelona na koa mitatitra ny zava-misy amin’ny alalan’ny laharana finday maimaimpoana 512.
Njaka Andriantefiarinesy