Alliance Stratégique pour l’Education: « Mihavery ny hasin’ny fampianarana malagasy »

Mampalahelo sady mahamenatra ny mahita sy miaina ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara ankehitriny. Manana anjara andraikitra ny rehetra manoloana izany. Ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fampianarana sy ny fanabeazana no vahaolana voalohany amin’izany.

Nanatontosa fanambarana, ny fiarahamonim-pirenena, mivondrona ao anatin’ny «Alliance stratégique pour
l’éducation», omaly, teny amin’ny Rohy Ambato­nakanga. Ny mahakasika ny fanabeazana misy eto Madagasikara no tena votoatin’ny resaka tao anatin’izany, indrindra manoloana iny tranga nandritra ny fanadinana Bakalorea iny. Tao anatin’izany no nanambaran’ireto fiarahamonim-pirenena ireto ny fanamelohany manoloana iny tranga fivoahana laza adina mialohan’ny fotoana iny, ary hanaovany antso avo amin’ny tomponandraikitra mahefa ny tsy hamelàna mora izay nanao izany. Nandritra izany ihany koa no nilazan’izy ireo fa mihavery tsikelikely ny hasin’ny fampianarana eto Madagasikara.
«Ekena fa nisy ny fepetra noraisin’ny tomponandraiki-panjakana, saingy fepetra peta-toko hatrany izany, kanefa, ny olana izay mianjady amin’ny fanabeazana ankehitriny, mitaky fepetra maharitra sy fanovan-drafitra lalina», hoy ny ASE . Mitombo ary mihasarotra hatrany ny olana mianjady eo amin’ny fampianarana malagasy. Eo koa ny tsy fahatomombanan’ny drafi-pitantanana ampiharin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera samihafa misahana ny fanabeazana. Vokatr’izany, mihapotika ary mihena hatrany ny lanjan’ny fanabeazana sy fampianarana malagasy. “Tsy fametrahana ny fanabeazana ho ambonin-javatra no olana fototra eto amintsika”, hoy hatrany ny “Alliance stratégique pour l’éducation”.

Manalehibe fa tsy manabe…
Mihavery ny hasin’ny fampianarana. Lasa mianatra mba hahazoana mari-pahaizana fotsiny ny ankizy sy ny tanora ankehitriny, ka lasa manao izay fomba hahazoana izany fotsiny na tsy ara-drariny aza. Lasa varotra ihany koa ny fampianarana ankehitriny, porofon’izany ny fisian’ny oniversite eny rehetra eny. “Manaitra ny sain’ny rehetra, indrindra ny tomponandraikitra manandrify izany izahay. Mendrika ny hahazo ny tsara indrindra ny zaza malagasy”, hoy izy ireo, tanatin’ny fanambarana nataony.

Lin M.

Partager sur: