Nirefodrefotra ny basy. Namoy ny ainy ny dahalo telo lahy nangalatra omby tao Ankazomasina, fokontany Amparaky, kaominina Analavory, afakomaly alina. Niantso ny mpitandro filaminana ny fokonolona fa manafika ao an-tanàna ny olon-dratsy efatra mitam-piadiana. Nentin’izy ireo nandositra ny omby roa. Nanara-dia niaraka amin’ny tompon’omby very avy hatrany ny zandary notarihin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Analavory. Tra-tehaky ny fokonolona ny iray amin’ireo mpangalatr’omby ka nikasa hanohitra tamin’ny antsibe. Vokany, voatifitra ka maty io dahalo io. Tetsy andaniny, nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ireo telo lahy namany. Namoy ny ainy taorian’ny fifandonana koa ny roa raha toa ka afa-nandositra ny iray. Tsy vaovao amin’ny mponina ao an-toerana ny roa lahy amin’izy telo lavo ireto. Mitohy kosa ny fikarohana ilay nanao tari-dositra. Manentana hatrany amin’ny hampiharana ny tagnamaron’ny fandriampahalemana ahafahana misambotra ireo olon-dratsy ny zandary ao an-toerana.
Tsiferana R.