Fahasalamana: telo andron’ny vaksiny miady amin’ny lefakozatra

Ny 25 hatramin’ny 28 jolay izao ny hetsika fanaovam-baksiny faobe, andiany faharoa, iarovana amin’ny aretina lefakozatra. Manerana ny Nosy ny hetsika ary hidina isam-baravarana ny mpiasan’ny fahasalamana hanao izany.
Ireo zaza vao teraka hatramin’ny 15 taona no hatao vaksiny, hiarovana azy amin’ity areti-mandoza ity. Mitarika amin’ny fahasembanan’ny zaza na mety hahafaty azy mihitsy ny aretina lefakozatra. Fatiantoka tanteraka ny fahavoazana ka ny fisorohana no zava-dehibe. Ny fanaovam-baksiny ihany no tena fanefitra tsara indrindra, araka ny fanentanana ataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Fotoana anaovana fanentanana amin’ny ady amin’ny tay miparitaka ihany koa ny telo andro hanaovana ny hetsika vaksiny faobe. Aretina vokatry ny tay miparitaka ka tonga any am-bava ny lefakozatra ka sady mampihinana maloto olona no manaparitaka aretina ireo olona mangery ankalamanjana.
Fanaovana lavapiringa manara-penitra, misarona sy manaja ny fahadiovana no vahaolana. Fizàrana manasa tanana isaky ny avy any an-kabone. Manasa ny sakafo sy ny fitaovana ampiasaina mandrakariva mba tsy hotetezin’ny lalitra mitondra loto.
Marihina fa nidina be ny tahan’ny fanaovam-baksiny amin’ny ankapobeny nandritra ny roa taonan’ny fihibohana. Ilaina ny mampiakatra ny taha sy manenjika ny famitana ireo tsy nisitraka izany ara-potoana. Efa nisy ny hetsika fanaovam-baksiny andiany voalohany ny 16 ka hatramin’ny 19 mey teo ka izao tohizana izao. Hitohy hatrany izany hanatrarana ny tanjona.

Tatiana A

Partager sur: