Nampiasa kitay sy saribao avokoa ny 81% -n’ny tokantrano malagasy teto an-drenivohitra sy tany Ambanivohitra, raha araka ny fanadihadiana nataon’ny Birao nasionaly momba ny antontanisa (Instat), tamin’ ny Novambra 2003.
Mirona tsikelikely amin’ny fampiasana fatana mitsitsy ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny. Miroborobo rahateo koa ny fanamboarana izany eto an-toerana. Anisan’ny ahitana ny fanamboarana izany ny etsy By-pass. Dimy mianaka izy ireo no misehatra ny fanamboarana izany eny an-toerana. “Nanao izany tao anatin’ny 10 taona mahery izahay”, hoy i Clémence, mpanao fatana eny an-toerana, raha nanontaniana teny By-pass, ny zoma lasa teo. “Tian’ny olona ny mampiasa azy noho ny hamafiny sy ny maha fatana mitsitsy azy”, hoy hatrany izy. Ankoatra izay, manjifa ny vokatra ihany koa ny any amin’ny faritra Toamasina, faritra Avaratra sy Atsimo. Manodidina ny 2 kaontenera isan-kerinandro ny vokatra vitan’izy ireo alefa sy ahondrana any amin’ny faritra, raha ny fanazavany. Mahavita fatana 50 isa isan’andro ny olona iray, rehefa tena miasa. Mahatratra 5 880 ny “fatana mitsitsy” namidy tao anatin’ny telo taona ary efa azo tsapain-tanana ny vokatra, raha ny fanadihadiana nataon’ny World Wildlife Fund (WWF). Nifanome tanana tamin’ny fampiroboroboana ny fampiasana fatana mitsitsy any
amin’ny distrikan’Ambilobe ny WWF Madagascar sy ny ADES, teo anelanelan’ny taona 2014 sy 2016. Tanjona ny hampihenana ny fanjifana angovo azo avy amin’ny hazo ao amin’ny helodranon’Ambaro sy hanentanana ny vahoaka handray andraikitra amin’ny loharanon’ala.
Miatrika olana isan-karazany ny mpanamboatra fatana mitsitsy amin’ny ankapobeny. Antony, iray tsy mampandroso ny asa tanana izany. Efa mihasarotra ny fahitana ny akora fototra, ny fitateran’entana ary ny fahitana tanimbary ampiasaina, izay akora fototra hanamboarana ny vokatra. Tsy manana tanimbary misy tanimanga fotsy ny ankamaroan’ny mpanao fatana, raha nanontaniana. Tsy maintsy mividy na manofa tany izy ireo, araka izany. 2 000 hatramin’ny 2.500 Ar isaky ny metatra ary 500 Ariary isaky ny gony ny vidin’ny tanimanga. Ankoatra izay, olana koa ny fahavitsian’ny vy. Mahavelona tsara ny asa amin’ny ankapobeny. Mandray vola isan’andro izy ireo, manodidina ny 300 Ariary ny fanamboarana ny fatana. Mahazo 15000 Ariary isan’andro eo ny olona iray ao anatin’ny iray andro”, hoy i Radina, mpanao fatana.
Ara-tantara
Tao amin’ny tanànan’ Antananarivo Fiadanana no nananganana ity foibe ity, tamin’ny fotoanan’ny Repoblika faharoa. Tamin’ny 1987, iray tamin’ireo mpikaroka ireo, antsoina hoe Blaise Iverenako, tao amin’ny fizarana seramika ny CNRIT, sy ireo mpiara-miasa aminy dia niezaka nanao ny “prototype” ny Fatana mitsitsy mifototra amin’ny tanimanga mikendry ny hampihena, araka izay azo atao, ny habetsahan’ny arina saribao, nefa koa mba hamerana ny fahasimbana ateraky ny fandripahan’ala mafimafy sy bibidia noho ny fanapahana hazo.
Ity fikarohana ity dia mikendry ny hanatsara ny fahombiazan’ny fatana saribao, amin’ny fampihenana ny fandaniam-pianakaviana amin’ny solika, mandray anjara amin’ny fiarovantsika ny tontolo iainana, araka ny voka-pikarohana nataon-dRazafindramanana Norbert, tamin’ny 2007.
Dingana arahina
Mandalo dingana maro samihafa ny asa fanamboarana ny fatana mitsitsy amin’ny ankapobeny. Voalohany indrindra, ny famolavolana ny fotaka sy ny tanimanga. Faharoa, ny fandatsahana ny “cylindre” sy ny fanamainana izany. Fahatelo ny fandrafetana ny vy (scellage). Fahefatra, manesika tany mena sy simenitra. Farany, ny mandoko ny vokatra arakaraka ny takin’ny mpanjifa. Maharitra herinandro vao maina ny cylindre iray, raha ny fanazavana.
Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fanamboarana sy fampiasana ny fatana mitsitsy. Manome asa ny tanora, mampihena ny fanapahana hazo amin’ny fampiasana kitay sy arina fandrehitra. Nihena izany, rehefa nampiasa fatana mitsitsy avokoa ny isan-tokantrano. Mihena hatramin’ny 35% ny tahan’ny “gaz carbonique (Co2)” eny amin’ny rivotra amin’ny fampiasana azy.