Fifanakalozana ara-barotra : hiara-hiasa i Madagasikara sy i Kaomoro

Samy afa-po na ny mpandray anjara na ireo mpitsidika nandritra ny hetsika “salon international de l’artisanat”, natao tatsy amin’ny Nosy Kao­moro, ny 6 ka hatramin’ny 9 jolay teo. Anisan’ny nandray anjara i Ma­da­gasikara ka nahaliana ny te­ratany vahiny ny asa tanana ma­lagasy. Tapaka taorian’ny hetsika fa hisy fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny Nosy malagasy sy ny Nosy kaomoro. Hamidy any an-toerana ihany koa ireo asa tanana malagasy. Tombony ny hahafahan’ireo mpanao asa tanana hivarotra ny vokatra malagasy sy hampiroborobo sahady ity sehatra ity.“Tafaresaka tamin’ny filoham-pirenena kaomorianina sady filohan’ny Vondrona afrikaninana, Azali Assoumani, izahay ka nanararaotra nangataka fiaraha-miasa, indrindra ny hahitan’ny Malagasy lalam-barotra ao Afrika”, hoy ny minisitry ny Asa tanàna sy ny haitao, omaly.
Misokatra amin’ny any ivelany

Miavaka ny fahaiza-manaon’ny Malagasy ary mahaliana ny teratany vahiny izany. Voa­asa hanotrona ny hetsika “salon international de l’artisanat” atao ao Brazzaville sy Bénin ary Guinée sahady i Ma­dagasikara. Tsiahivina fa efa nisy fampirantiana natao ihany koa tao Paris, Frantsa. Azo hampirantina asa tanana malagasy mandavantaona kosa ao Italie, noho izy manana toerana malalaka. Hojerena ihany koa ny hahafahana ha­naovana izany any Ethiopie.

Henintsoa Hani

Partager sur: