Ny vola no ndeha hatao fototry ny resaka sy adihevitra amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao? Tsy inona fa ny amin’ity hoe 200 tapitrisa Ar ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina. Misy ny tsy taitra. Toa zarany aza? Ao ny mampiaka-peo, miakatra afo… Ny itsitokotokoan’ny loha, samy manana ny heviny? Na ny toerany izany, na izay ataony, na izay kendreny… Tsy mitovy avy hatrany ny fijery.
Be ny kajikajy? Na vola, na politika… Nefa fifidianana filohan’ny Repoblika no hatao? Mandeha avokoa izao karazana dona rehetra izao. Misy tonga amin’ny hoe tsy kilalao ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Izay tena vonona no mirotsaka. Amin’izay, tsy tokony hananana fanahiana na fahatahorana ny vola 200 tapitrisa Ar. Mihoatra an’izay aza no mila laniana, raha te handresy amin’ny fifidianana.
Tsy vitan’izany, haverina ny volan’ny kandidà mahazo 10% amin’ny vato manan-kery. Tsy hahatratra izany izay tsy matotra na matahotra miatrika fifidianana. Na mitsapatsapa, manao injainjay… Mila matoky tena sy matoky fifidianana fa manana antoko manolotra azy izay mirotsa-kofidina eo, manana mpikambana manohana. Tsy ho azo ve ny vato 10%? Na hiverina ny anto-bola 200 tapitrisa Ar…
Miankina amin’ny fananana antoko izany, antoko manana vina, vina misy fandaharanasa, fandaharanasa azo tanterahina, ny azo tanterahina maharesy lahatra. Fifidianana filohan’ny Repoblika no hatao: filoha dia filoha. Izay ihany. Tsy fizarana na fivarotana vato, tsy fikendrena toerana minisitra, tsy fitsapana hery, tsy fitadiavam-bola ka ny ampahany kely ihany no laniana amin’ny fampielezan-kevitra…
Inona koa? Mila hevitra sy fandaharanasa amin’izay no iadiana sy ampiadiana manomboka izao; eny, na eo aza ny raharaham-bola mahabe resaka ny sasany amin’izao.
R. Nd.