Lalaon’ny Nosy-COJI : afa-po amin’ny fanomanana ireo Nosy rahavavy

Higadona afaka iray volana ny lalaon’ny Nosy hotanterahina eto Madagasikara. Nitondra fanazavana mahakasika ny fanomanana sy ny fandaminana rehetra ny Tale mpanatanteraka eo anivon’ny COJI, Rakotozafy Rosa. Maneho ny fahafaham-pony koa ireo Nosy rahavavy.

Efa manomboka mivezivezy mandamina ny fivahinianana sy mijery ny fikarakarana sy fanomanan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy, ireo Nosy rahavavy. Anisan’izany ny Renioney, izay nanambara fa tena afa-po tanteraka amin’ny fizotran’ny fikarakarana sy fanomanana. Fantatra ihany koa fa ho avy eto an-toerana ny Maorisiana, amin’ny herinandro ho avy io. Nanamafy ny Tale mpanatanteraka eo anivon’ny Comité d’Organisation des Jeux des Iles (COJI), Rakotozafy Rosa fa mandeha tsara ny fanomanana. Ma­marana ny fanamboarana sy fanatsarana ireo fotodrafitrasa rehetra, toy ny eny amin’ny kianja Barea, Ankatso, Vontovorona sy ANS Am­pefiloha ary ny eny amin’ny Stade Alarobia, amin’izao ny mpiandraikitra izany. « Ny filoham-pirenena Rajoelina Andry mihitsy no lohalaharana manara-maso izany, miaraka amin’ny minisitry ny Tanora sy fanatanjahantena», hoy hatrany ny nohamafisiny.
Mahakasika ny fanomanana ny atleta, nampahatsiahivin-dRakotozafy Rosa, fa efa nisy ireo niofana tany Sina, nahazoana fampitaovana hampiasaina ho fanomanana sy ampiasana mandritra ny lalao. Manana andraikitra amin’izany koa ny federasiona, hoy izy, izay hitondrany fisaorana amin’ny fiaraha-miasa. “Efa misy ny atleta mikotrana etsy amin’ny “sous- gradins” Mahamasina amin’izao satria efa vita ary azo ampiasaina tsara ilay toerana “, hoy ny nambarany. Ankoatra izay, efa any amin’ny hotely ny atleta, ankoatra ireo mbola mianatra. Ekena, hoy ity Tale ity, fa mety misy ny tsy fahatomombanana kely fa efa tena manao sy miezaka ny fitondram-panjakana. Nomarihiny fa tena manaraka akaiky ny fikarakarana sy fanomanana ny CIJ, izay midika fa matoky antsika izy ireo matoa tsy miteny zavatra hafa na ratsy mahakasika ny fanomanana.

Mi.Raz

Partager sur: