Nikorontana ny fianakaviana… : ny rahalahiny ihany no notafihin’ilay jiolahy

Tratra teo am-pianihana tamboho tao Analankinina Hopitalibe-Toamasina, ny alatsinainy teo, ny lehilahy iray, raha nikasa hangalatra tao an-tranon’ny rahalahiny ihany.

Nandritra ny ora-nikija sy fahatapahan’ny herinaratry ny Jirama no nisehoan’izany. Tsy nandondona sy niantso izy fa niditra moramora ka nihanika ny tamboho misy ny tranon’ilay rahalahiny. Miaramila miasa ao Toama­sina ihany anefa ity rahalahiny saika hanaovany asa ratsy ity. Naheno zavatra hafahafa ni­anjera tany ivelan’ny trano io rahalahiny io ka nivoaka haingana. Hatairana ny azy raha nahita ity mpiray tampo aminy nihanika ny tamboho niditra tao an-tanànany. Nosambo­riny avy hatrany ilay rahalahiny ka nokatsanany tamin’ny antsy ny rantsan-tanany roa havia. Nalefany nivoaka ny vavahady taorian’izay. Voka­ny, nijininika ny ra. Lasa na­monjy ny Hopitalibe Toama­sina ity jiolahy ity ka efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Voalazan’ny tompontrano fa efa matetika izy no vaky trano sy very entana. Anisan’ireo entana efa very tao an-trano ny moto sy valizy feno lamba, finday avo lenta sy maro isan-karazany. Nataony nitondra faisana amin’izay ity rahalahiny ity satria nentin-katezerana izy noho ny fahasahiana na­taony. Efa fantatry ny fianakavian’izy ireo anefa izany asa ratsy fanaon’ity rahalahiny ni­vadika nanao asan-jiolahy ity. Manoloana izao raharaha izao, mitarika fikorontanana eo amin’ny samy fianakaviana ity fanapahan-kevitra noraisin’ny rahalahiny ity tamin’ny fanapahana ny tanany. Lasa vesatra ho an’ny anabaviny ny fikarakarana rehetra satria izy avokoa no misahana ny fikarakarana any amin’ny hopi­taly.

Sajo/J.C

Partager sur: