Raha tsy misy ny fiovana, ho tanterahina ny zoma 4 aogositra ho avy izao, ao amin’ny ivontoeram-piofanana Andohatapenaka, ny fifidianana ho filohan’ny seksiona Avaradrano, taranja rugby. Kandidà roa ihany no hany nametraka antontan-taratasy sy nahafeno ny fepetra dia Radimilahy René sy Andrianarivao Sitraka Nantenaina.
Notsiahivin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy rugby fa ireo fileovana manana ny taratasy ara-dalàna sy nahazo ny “certificat de conformité” avy amin’ny minisitera ary tafiditra ao anaty “base des données”-n’ny Malagasy rugby ihany no manan-jo hifidy. Miisa 21 izy ireo dia ny Magreba, CRDA Ankorondrano, JSA Sab-Nam, XV Combrage, BTM, ATAC, FITAM, FT5 Amboditsiry, KFA Analamahitsy, RCB Belanitra, TRC Sab-Nam, RCM, US2A, XV Tanana, ARC Avaradrano, RC2M, CRA Ankaditapaka, TAREA, Akamasoa, FTMA, XV Top.
Ho fandaminana sy fandrindrana ny latsa-bato, hihaona amin’ireo fileovana ireo ny vaomiera misahana ny fifidianana ny alarobia 26 jolay ho avy izao, eny Andohatapenaka.
Tompondaka