Sombim-baovao

Hotanterahina afaka 3 andro, eto Madagasikara, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy “Cadet” sy “Junior”, taranja Judo. Tsy nisy ny fiovana fa 36 mianadahy, izany hoe 18 mianadahy ho an’ny “Cadet” ary 18 mianadahy ho an’ny “Junior”, ny Malagasy judokas hifaninana amin’io, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Atleta mendrika indrindra ary antenaina hahazo medaly avokoa ireo mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy ireo ary efa nandalo fifantenana maro.

Lalao ara-pirahalahiana, notanterahina ny alakamisy lasa teo ny fihaonana teo amin’ny Al Nassr sy Benifica Fc, taranja baolina kitra. Resy tamin’ny isa 4 no ho 1 ny Al Nassr, misy an’i Cristiano Ronaldo, mpanjakan’ny baolina kitra portiogey. Nisongadina tanteraka i Dimaria, mpilalao arzantina, milalao ao amin’ny Benifica Lisbon.

Hiakatra an-kianja, anio, ny Team Antananarivo, solontena malagasy, mifaninana amin’ny Fiba 3×3 Wuxi Challenger, taranja basikety. Fifaninanana tanterahina ao Chine, anio 22 jolay sy rahampitso 23 jolay. Ny ekipan’ny Partizan avy ao Serbie sy ny Sansar MMC Energy avy ao Mongolie no hifanandrina amin’ny ekipa malagasy (Fiary, Elly, Livio ary Arnol).

Mbola hitohy anio sy rahampitso, etsy amin’ny Parvis Analakely, ny hetsika “Festival Alefa Parkour” andiany faharoa. Atleta maherin’ny 150 no tonga mandray anjara ary nizotra tsara ny andro voalohany, omaly. Efa niditra an-tsehatra, omaly, koa ny teo amin’ny sokajy Speedrun ary hanomboka hifaninana ny Freestyle ho amin’ny anio.

Partager sur: