Hidina ny maripana amin’ny afovoantany sy ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy amin’ity faran’ny herinandro ity, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Hiakatra tsikelikely izany any amin’ny alatsinainy.
Hitohy hatramin’ny rahampitso ihany koa ny fikorontanan’ny toetry ny andro eny an-dranomasina, any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana, atsimo ary atsinanana iray manontolo, noho ny alondrano avy any atsimo na atsimo atsinanan’ny Nosy. Mihatra ny filazana fampitandremana ho an’ireo mpampiasa ranomasina rehetra amin’ireo faritra ireo. Voakasik’izany ny mpitatitra an-dranomasina sy ny mpiandriaka. Mila mailo sy mitandrina fatratra ireo mpiala sasatra any amin’ireo morontsiraka ireo, indrindra raha hampiasa fitaovam-pitaterana an-dranomasina hanao fitsidihana samihafa satria ahiana ny mety ho faharendrehan’ny sambo noho ny hamafin’ny onja.
Tatiana A