Ady amin’ny andiam-balala : velaran-tany 31 600 ha voatondraka fanafody

Fotoana manomboka mam­pirongatra ny andiam-balala izao ! Fiaraha-mitantana no nataon’ny Ivontoerana fa­mongorana ny valala eto Ma­da­gasikara (IFVM), nanomboka volana novambra 2022. Miisa 200 ny andiam-balala novonoina, notondrahana fanafody, tamin’ny velaran-tany mi­refy 31 600 ha. Toerana tena nahitana andiam-balala ny any amin’ny tapany atsimo andrefana sy atsimon’ny Nosy, toy ny any Manja, Betioky, Ihosy, Ampanihy. Anisan’ny ahitana koa ny afovoany andrefana toa ny any Mandoto sy Ambatofi­nan­drahana. Araka ny tatitry ny ao amin’ny IFVM sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, toerana saika fanatodizan’ny andiam-balala ireo voalaza ireo.
Natao ny 17 jolay teo, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny tale teknikan’ny IFVM, izay nisahana ny fitantanana vonjimaika, Andriamaroahina Tsito­haina, sy ny tale jeneraly izay voatendry, ny Dr. Edaly. Nana­trika ny fotoana ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Ramilison Harifidy, sy ny tomponandraikitra ambony samihafa. Nambaran’ny minisitra fa tsy maintsy homanina mialoha ny hoenti-miatrika ny andiam-balala amin’izao fahataperan’ny andro ririnina, sy hidirana amin’ny main-tany izao. « Tsy andraikitry ny IFVM irery ny ady amin’ny valala, fa manana anjara koa ny minisitera hafa », hoy ihany izy.

Njaka A.

Partager sur: