Voadonan’ny fiara, teny Andohatapenaka, ny mpianaka nitondra bisikileta. Maty tsy tra-drano ny zanany vao 10 taona. Naratra mafy kosa ny rainy.
Maty tsy tra-drano ny zazalahikely tokony ho 10 taona voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana, tetsy amin’ny Digue Andohatapenaka, ny sabotsy hariva teo, tamin’ny 6 ora sy 10 minitra, araka ny angom-baovao natao teny amin’ny mpitandro filaminana. “Maty teo noho eo io zazalahy io”, hoy ny loharanom-baovao, izay nangataka ny tsy ho tononona anarana, noho ny tsindry isan-karazany. Araka ny fantatra, fianakaviana parlemantera iray, ilay vehivavy namily ny fiara nahafaty olona.
Raha ny fitantaran’ny olona nanatri-maso ny loza, nandeha mafy ny fiara 4×4. Nifatratra tamin’ny bisikileta teo alohany avy hatrany. “Nipitika ireo mpianaka. Tsy nahatsiaro tena avy hatrany ilay zaza. Vaky loha, naratra mafy ny rainy. Nentina nihazo ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka izy mianaka”, hoy ny nanatri-maso. Tsy tana anefa ny ain’ilay zazalahy. “Voa mafy teo amin’ny fihirifany io zazalahy manodidina ny 10 taona io”, araka ny fanamafisan’ny lehilahy nitondra azy ireo teny anivon’ny hopitaly. Tetsy ankilany, noho ny ratra mafy nahazo ilay raim-pianakaviana, nentina novonjena tao amin’ny Hjra izy.
Lavi-podiana
Teny an-dalana hody izy mianaka no tratry ny lozam-pifamoivoizana. Narahin’ny tsara sitrapo hatrany amin’ny hopitaly anefa izy ireo. Nosavain’ny olona ny entan’izy mianaka, nahafahana nahita laharana finday. Hita tao anatin’ny baiboly nentiny ny karapanondrony. Mpiara-mivavaka amin’izy ireo no nandray antso. Taorian’izay, nampandre ny fianakaviany ity farany. “Lavi-podiana ka tratra maizina izy mianaka”, raha ny fanazavan’ny nanatri-maso. Nijanona, niandry ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito, CSP7,67 ha ny mpamily ny fiara 4×4 tra-doza. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.