Disadisa : Polisy maty noleram-badiny antsy

Namoy ny ainy vokatry ny tsindron’antsy tao Sambava, omaly maraina. Tsy nifankahazo tamin’io vadiny io, naharay zava-maranitra ilay ramatoa. Natsindrony teny amin’ny vadiny avy hatrany anefa izany. Poa toy izay, nifamonjen’ny mponina manodidina nentina tao amin’ny hopitaly CHRR Besopaka ilay Sous-Brigadier. Tsy tana anefa ny aina noho ny hamaroan’ny ra very. Namangy tanàna niaviany, noho izy miasa any Maintirano saingy niharan-doza tampoka ka izao namoy ny ainy izao.Nandray an-tanana ny raharaha ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Niroso tamin’ny fisamborana ilay renim-pianakaviana nahavanon-doza ireto farany. Voasambotra io omaly io ihany izy ka atao famotorana. Tsy fantatra mazava kosa ny tena fototry ny olana niteraka ny tsy fifankazahoana teo amin’izy mivady ireo. Ahiana ho vokatry ny hasarotam-piaro izany. Namela kamboty roa io polisy maty io.

Tsiferana R.

Partager sur: