Nitondra fanazavana, manoloana ny resabe amin’ny mety ho fihaonan’i Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery ary koa ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny ny HVM. “Eto an-toerana ny mpanorina ny antoko fa tsy any Frantsa”, hoy Rakotovao Rivo.
Matotra ny fiaraha-miasan’ny vondrom-pifankatiavan’ny parlemanta sinoa sy malagasy, araka ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, tamin’ny fitsidihan’ny parlemanta sinoa azy, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo.
Ampiasaina araka ny tokony ho izy ny fitaovam-panjakana, hoy ny minisitry ny Atitany, tany Sofia, ny faran’ny herinandro teo. Tokony hampihena ny kolikoly sy ny fampijaliana olona amin’ny fanaovan-draharaha ny fahazoana fitaovana.
Nanao antso avo manoloana ny hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ity taona ity ny eo anivon’ny Vondrona firaisankina ho an’ny faritanin’i Fianarantsoa (VFF), ny herinandro teo, tany an-toerana. Nambaran’ny mpitarika, Randriarimanana Patrick fa tokony hiray hina hametraka kandidà tokana, matanjaka ny avy any amin’iny faritany iny