« Fehezan-kanto hafa mihitsy » : Nahaliana ny tanora ny hetsika

Tontosa omaly, teny amin’ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana « Fehezan-tseho hafa mihitsy”, nokarakarain’ny Onjampeo feon’Imerina. Mpahay kanto miangaly ny mozikan’ny taona 70 sy 80 no nanatanteraka izany, niaraka tamin’ny tanora mpamelo-maso ny gadona. « Tanjona tamin’izao hetsika izao ny hameloma-maso sy hampiroborobo ny kalo fahiny, izay mitondra fanabeazana sy kanto tokoa » hoy Ranaivoson Lucien, mpikarakara ny hetsika.
Ambohipihaonan’ny mpankafy kalon’ny taona 70 sy 80 ny teny amin’ny CCEsca Antanimena. Maro ny tanora tonga nianoka sy nankafy ny fampisehoana. Antsan-tononkalo, hira, ireo no nandravahana ny fiarahana, niaraka tamina mpanakanto ampolony. Anisan’ny niavaka ny seho natolotr’i Faniry Raoelison. Mpikalo ny hira fahiny manana ny maha izy azy, na dia mbola tanora aza. Teo ihany koa Ralanto, ny Angolan’Imerina, Solika, Salomon, Lizah Raseta sy ny tarika sy mpikalo ny hiran’ny taona 70 maro samihafa.

Lin M.

Partager sur: