Fiarovana ny tontolo iainana : omen-danja ny fampiasana ny arina maitso

Anisan’ny miaro ny tontolo iainana sy ahazoana tombontsoa ara-toekarena sy eo amin’ny fahasalamana ny fampiasana ny saribao maitso. Manome vahana ny fampiasana ireo akora tsy ilaina intsony ny fanamboarana izany.

“Efa simba ny tontolo iainana ary mitarika amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro maneran-tany noho ny fandripahana ala be loatra eto Madagasikara”, hoy Ramamonjisoa Tahinjanahary Sedera, mpitarika mpanampy eo anivon’ny Young Men’s Christian Association (YMCA), raha nanontaniana teny Anke­rana, ny sabotsy teo. Vaha­olana iray ny fampirisihana sy fampianarana ny olona hampiasa sy hahay hamokatra ny arina fandrehitra miaro ny tontolo iainana. Mba hahafahana mampihena ny fanapahana sy fandripahana ny ala eto amin’ny Nosy. Entanina sy hampirisihina, araka izany, ny vahoaka malagasy hiala tsikelikely amin’ny fampiasana arina fandrehitra vita amin’ny ala. Anisan’ny angovo “maitso” azo ampiasaina sy vokarina tsara ny saribao maitso na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Vita amin’ny fako azo avy amin’ny sakafo, avy amin’ny fambolena sy ny fako isan-karazany ny saribao maitso.
Mbola vitsy ny olona ma­hafantatra sy mampiasa ny arina fandrehitra miaro ny tontolo iainana eto Madagasi­kara, raha ny zava-misy.

Tombontsoa maro
Ahazoana tombony maro eo amin’ny lafiny toekarena sy tontolo iainana ary fahasalamana izany. “Manana ny mampiavaka azy ary mitondra vokatsoa maro samihafa ny fampiasana ny “charbon vert” raha oharina amin’ny arina fandrehitra vita amin’ny hazo”, hoy Randrianiaina Jean Marc Fabien, mpikambana eo anivon’ny YMCA hatrany. Mampihena ny tahan’ny CO2 (gaz carbonique) eny amin’ny rivotra izany. Mano­me asa ho an’ny tanora sy ho an’ny tokantrano ihany koa. Ankoatra izay, monome lanja ny fampiasana ny vovoka saribao, izay arian’ny ankamaroan’ny olona fotsiny, raha ny zava-misy. Mba hahatonga ny tsirairay hamerina hampiasa izany indray. Ankoatra izay, omen-danja ihany koa ny tany sy ny ala. “Tokony harovana izy ireny satria zava-boaary mety ho lany ihany”, hoy ha­trany izy ireo. Ankoatra izay, manamafy ny fandevonan-kanina sy manala poizina any amin’ny vatana izy. Miady amin’ny akora ratsy sy simika mety hanimba ny fiasan’ny tsinay ihany koa izany.

Tsotra sy miavaka
Tsy lafo ary mora hita ny akora ampiasaina hanamboarana ny arina fandrehitra miaro ny tontolo iainana, raha ny fanazavana. Anisan’ny fi­taovana ampiasaina ny tanimanga na tanimena na tanifotsy, vovoka saribao ary taratasy lena sy voatoto. Azo ampiasaina ihany koa ny bozaka. Toy izao ny fanamboarana azy. Alaina ny tany izay misy (1 kp) sy vovoka saribao (2 kp) ary ny potika taratasy efa voatoto. Miovaova arakaraka ny tian’ny olona ny fatra ilaina fa avo roa heny amin’ny tanimanga ny vovoka saribao. Afangaro ireo rehetra ireo ka volavolaina amin’ny tanana mba hahazo endrika izay tian’ny mpanamboatra azy (boribory na lavalava). Hamainina amin’ny masoandro ary azo ampiasaina andrahoana sakafo avy eo.
Mahavita saribao maitso betsaka ny vovoka arina fandrehitra iray gony. Maharitra eo amin’ny telo volana ny fampiasana izany , raha ny fanazavana. “Ilana arina fandrehitra tsotra ihany eo am-piandohana, mba hanome tosika ny fiakaran’ny afo”, hoy ny mpikarakara ny fanofanana y-kaly, Ravoavonjiarivelona Daniel Joseph Emil. Azo atao ihany koa ny mampiasa kitay menaka maromaro , hampirehitra aingana ny afo, raha ny fanazavana hatrany.

Fandraisan’andraikitry ny tsirairay avy
Anisan’ny nampianatra ny olona hanamboatra arina fandrehitra miaro ny tontolo iainana “charbon vert” na “écologique” ny Y-kaly club. Nilaza, izy ireo, fa azo antenaina ny hampiasan’ny Malagasy rehetra ny vokatra na ho ela na ho haingana. Tsy maintsy ampiasana sy hanamboatra izany rehefa mihalafo ka tsy ho ta­katry ny ankamaroan’ny to­kan­trano tsirairay intsony ny vidin’ny arina fandrehitra eny an-tsena, raha ny fanazavana. Tsy vita irery, fa ilaina ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay avy ny fanatanterahana izany. Miainga avy any an-tokantrano,eny anivon’ny fiarahamonina ary ny mponina rehetra manerana ny Nosy, mba hahatrarana ny tanjona. Nahafa-po sy vonona ny hampiasa hatrany ny vokatra arina fandrehitra miaro ny tontolo iainana, raha ny fanazana ireo olona mampiasa izany.

 

 

Partager sur: