Kitra vehivavy – « Mondial 2023 »: nisaraka ady sahala i France sy i Jamaïque

Notanterahina omaly, tao amin’ny kianjan’i Sydney Foot-ball Stadium, ny fihaonana teo amin’i Jamaïque sy i France, taranja baolina kitra, vehivavy. Nisaraka ady sahala, 0 no ho 0 ny roa tonta nandritra ny fiadiana ny tompondaka eran-tany taona 2023. Lalao atao any Australie sy Nouvelle-Zélande, ny 20 jolay-20 aogositra. Tafiditra amin’ny andro voalohan’ny fifanintsanana ho an’ny vondrona “F”, ny lalao.
Nanindry tanteraka ny frantsay nandritra ny fe-potoana 90 minitra. Porofon’izany, ny baolina sy ny andrana nataon’izy ireo. Nahatratra 14 ny an’ny frantsay, 6 ihany ny an-dry zareo Jamaikanina. Mafy ny fifandonana teny ambony kianja, nisy ny mpilalao nahazo karatra mena. Toa an’i Khadija Shaw, Jamai­kanina, voaroaka ny kianja teo amin’ny minitra faha-90.
Hiakatra kianja, anio, i Brésil, hifanandrina amin’i Panama. Ekipam-pirenena roa miray vondrona amin’i France sy i Jamaïque. Mita­rika vonjy maika ao amin’ny sokajy “F” i Frantsa.
Ho an’ireo firenena afrikanina, nidirana baolina dimy ny ekipan’i Zambia, nandritra ity fifanintsanana ity. Tsiahivina fa resin’i Japon tamin’isa mavesatra 5 no ho 0 izy ireo, ny alakamisy 21 jolay lasa teo.
Ankoatran’i Zambia, i Ma­roc sy i Afrique Atsimo ary i Nigeria no solontenan’ny kontinanta Afrikanina.

Fitia

Fandaharan-dalao anio :
9 ora : Italie vs Argentine
11 ora sasany : Allemagne vs Maroc
2 ora : Brésil vs Panama

Partager sur: