Andro faharoa amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja lomano, dobo filomanosana 50 m, anio, any Fukuoka Japon. Hiditra an-tsehatra anio, eo amin’ny 100 metatra “dos” i Tendrinavalona Idealy, raha toa ka efa nifaninana teo amin’ny 100 metatra “brasse” kosa, Raharvel Jonathan, omaly. Laharana faha-10 teo amin’ny “série” nisy azy i Jonathan tamin’ny “course” voalohany nataony. Tamin’ny fe-potoana 1:04:39 ny nahavitany ny 100 m “brasse”. Mbola hiatrika ny 100 m “nage libre” ity lehilahy malagasy mpilomano ity, ny 26 jolay izao.
Ho an’i Tendrinavalona Idealy kosa, hiatrika ny fifaninanana 50 m “dos” izy ny 26 jolay izao, aorian’ny 100 m “dos” izay hataony, ho amin’ny anio. Tsiahivina, malagasy solontena roa mianadahy no miaro ny voninahi-pirenena amin’ity fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja lomano, 50 metatra, izay hatao any Japan ity. I Jonathan, nisitraka ny fiofanana tany Thailande. I Tendry, voafantina ho mpilomano mendrika tamin’ny fifaninanana nasionaly tany Toamasina.
Mi.Raz