Seho nandrasan’ny maro iny. “Revirevy maty masoandro”, saingy tsy nangatsiaka mihitsy no natolotr’ireto mpanakanto samy mpivoy ny hira vokatry ny tany ireto.
“Anio isika dia hiaina revy tsy mbola fahitantsika. Tsy mbola nisy tao anatin’ny 50 taona nisian’ny tarika Mahaleo, ka mahaiza mankafy tsara”, hoy ny nambaran’i Dama, vantany vao nandray ny “micro”izy… Nandritra ilay fampisehoana “Revirevy maty masoandro”, notontosaina tetsy amin’ny tokotaniben’ny CCI Ivato, omaly. Raha ny fiarahana an-tsehatry ny Mahaleo, Princio ary Samoëla tokoa, tena tsy mbola nisy raha tsy iny. Tsy izay ihany anefa no nampiavaka ny seho, fa nahay nikendry ny mpanakanto andrasan’ny mpankafy tamin’ny fotoana nampety indrindra azy ry zareo mpikarakara avy ao amin’ny Louvto Company.
“O Darling e, faisons l’amour ce soir”, hoy ny firedon’i Dama sy i Bekoto ny fiverenan’ity hiran’i Princio ity. Mbola narahin-dry zalahy ny “Kalakely”, hiran’i Samoëla izany. Nialoha izay, i Princio no nanao fararan’i “Farakely”, ary nanampy azy mirahalahy Mahaleo teo amin’ny andininy i Samoëla. Tsy mba fandraisana anjara fotsiny, fa fizarana manokana nandritra ny fampisehoana ny fiarahan’ny toko telo namahasa-nahandro an-tsehatra.
Lafiny mpijery, na ny mpikarakara aza angamba tsy nanam-po ny fahombiazan’ny seho. Tsy nahalavi-tany ny mpankafy ny CCI Ivato, ka mbola tsy nanomboka akory dia efa tomefy olona ny toerana. Vao naneno ny gitaran’i Princio, dia niaraha-niredona avokoa ireo hira nalahany. Eny an-tsefantsefan’ny vazo miteny eny ny vazivazy zary teny mampalaza an’i Princio. Ilay hira “Kristy” no nentiny nampiakarana an’i Samoëla an-tsehatra, izay niantoka ny tapany faharoa.
Efa alina, kanefa tsy nisy niala ny mpijery tamin’ny anjaran’ny Mahaleo sy ny taranany. Toa nahazo aina vao indray ny tarika notronin’ireto mpandimby, indrindra fa nisy an’i Tolotra, Tojo ary i Bibs… Rahoviana indray moa?
Zo ny Aina