Mikarakara hetsika miaraka ny Foibem-paritra mpandrindra (RCOC) sy ny Foibem-paritra iombonan’ny sampandraharaham-baovao an-dranomasina (RMIFC), ahitana ny hery ara-tafika misahana ny fiarovana an-dranomasina any amin’ny ranomasimbe Indiana, tapany andrefana. Nanomboka ny taona 2018 ny nisiany, ary hisy ny fanazarantena manoloana ny fahalotoan’ny ranomasina, ny 25 hatramin’ny 27 jolay 2023 izao any Dubai. Antsoina hoe « Western indian ocean pollution regional exercice » (WIOPOLREX) ity tetikasa ity, tohanan’ny Vondrona eoropeanina (UE) ara-bola, amin’ny alalan’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI). Hisy hetsika mifanandrify amin’io fotoana io koa hatao eo anoloan’ny foiben’ny RCOC any Seychelles. Manodidina ny 15 ny firenena mandray anjara, ka anisan’izany i Madagasikara. Fotoana hifampizarana traikefa sady hijerena ny haavon’ny fanomanan’ny tsirairay.
Anisan’ny tranga nisy ny fahaverezan’ny solika nentin’ny sambo Wakasio, tany amorontsiraky ny Nosy Maorisy, ny 25 jolay 2020. Nanodidina ny 1 000 metatra taonina (MT) ny solika very an-dranomasina. Nisy tranga hafa tany amin’ny fari-dranomasin’i Kaomoro, Madagasikara, Seychelles, La Réunion, midika fa tsy misy firenena iray afaka miatrika ny voina.
Njaka A.