Vaovao tambatra

Hampiakarina ho 750 m3 raha 200 m3, anke­hitriny, ny rano kirakiraina ao an-tampon-tananan’Antsiranana I. Asa maika famatsian-drano any ny fokontany Mangarivotra, Tanambao Tsena, Tanambao Avaratra ary Maromagniry. Tetibolan’ny minisiteran’ny Rano, amin’ny alalan’ny tsenan’asam-panjakana, ka hahena ho 15 andro ny fe-potoana hisokafan’ny tolo-bidy.

Hamboarina ny ampahan-dalana (RN 7) ao an-tampon-tananan’Antsirabe, mandalo any Mandanin­dre­saka sy ny PK 258- Pk 311. Hampiharina ny dingana asa vonjy taitra (travaux d’urgence) hanatanterahana azy ireo, fa tsy mandeha amin’ny alalan’ny antso tolo-bidy satria maika ny asa.

Hanondrana henanondry sy henanosy any Sina i Madagasikara. Misy ny fepetra manokana ha­nokanana ireo hena ireo, mandritra ny 40 andro, rehefa tonga any an-toerana. Nanao sonia ny fifanarahana tany Sina, ny fiandohan’ny volana jolay 2023 teo, ny minisitra lefitry ny Fiompiana malagasy, sy ny tale lefitry ny haban-tseranana sinoa.

Anisan’ny manohana an’i Madagasikara amin’ny lafiny fambolena, ny fotodrafitrasa toy ny lalana, ny angovo, ny fitaterana an-dalamby i Sina. Nivoitra ireo nandritra ny fihaonan’ny delegasion’ny antoko kaominista sinoa (PCC) sy ny filoha Andry Rajoelina, ny herinandro lasa teo.

Partager sur: