Anosibe Angarangarana : jiolahy tratra teo am-pamakiana tranon’olona

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy (CSP5) Mahamasina, omaly maraina, tamin’ny 1 ora sy sasany, teny Anosibe Angarangarana, ny jiolahy iray raindahiny amin’ny fanafihana miharo vaky trano. Nihanika tambohon’olona izy. Tsy vitan’izay fa efa tafiditra tao an-trano izy tamin’io fotoana io. Tazan’ny tompon-trano anefa izy ka afaka niantso polisy ireo fianakaviana. Fotoana fohy taorian’izay tonga ny polisy ka noraisim-potsiny. Tsy afa-nihetsika intsony izy ka nentin’ny polisy nihazo ny kaomisaria anaovana fanadihadiana. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Nahavariana taminy, tsy nety nilaza ny momba azy mihitsy ity jiolahy ity sy ireo olona mpiray tsikombakomba aminy. Nilaza fotsiny izy fa misy olona miara-manao asa ratsy aminy ary manao andiany izy ireo. Maro rahateo ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisiana trangana vaky trano eny Anosibe sy ny manodidina iny. Anisan’ireo voatonona hatrany ity jiolahy ity satria misy mahatadidy izy na miova akanjo matetika aza rehefa avy mangalatra na mamaky trano mba tsy hahafantarana azy. Hatolotra ny fampanoavana izy aorian’ny famotorana ataon’ny polisy.

Jean Claude

Partager sur: