bakarorea : nahemotra anio ny fitsarana

Nahemotra, anio, indray ny fanombohana ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny 1ère serie ho an’ny sampana teknika noho ny lamina napetraka teny Ankatso. Fivoriana momba ny fizotry ny fitsarana no natao niaraka tamin’ny “président de jury” sy ny mpitsara (commission d’entente). Nisy fifamadihana rahateo ny laza adina ho an’ny “spécialité” maromaro avy amin’ny fampianarana teknika teny amin’ny foibem-panadinana LMA sy LTC ka tsy maintsy nisy toromarika manokana. Voakasiky ny fifamadihan’ny laza adina ny taranja Français, Anglais ary Filozofia ka napetraka amin’ny fieritreretan’ny mpitsara ny fanomezana naoty sahaza manoloana ny tranga niseho tsy miankina amin’ny mpiadina.
Ho an’ny fampianarana ankapobeny, vokatry ny fisian’ny kopiam-panadinana roa tamin’ny taranja Histo-Géo, amin’ny sokajy sasany, tsy maintsy mametraka fijery iraisana ny mpitsara. Tsy tomombana koa ny laza adina malagasy natolotra ny mpiadina ho an’ny fampianarana ankapobeny ka misy fiantraikany amin’ny fitsarana.
Mitsara taratasim-pandinana an-jatony ny mpitsara iray ary tombanana ho vita ny faran’ny herinandro ny fitsarana.

Vonjy

Partager sur: