Mitohy ny famatsiana vary ataon’ny State procurement of Madagascar (SPM) eny amin’ireo tsena eto amin’ny faritra Analamanga. Famatsiana entina hanampiana ireo tokantrano samihafa eto an-drenivohitra. Araka izany, vary tsinjo 30t isan’andro no aterina eny amin’ireo mpivarotra mpaninjara. Fokontany manodidina ny 30 sy mpivarotra 80 isa hisitraka izany isan’andro, araka ny fanazavan’ny talen’ny varotra anatiny, Randriamiaramahefa Andry. Mandrindra sy manara-maso ny fitsinjarana izany ny minisIteran’ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. Ny alakamisy teo, tonga teny Ankorondrano sy ny manodidina ny kamiao nitondra ireo vary tsinjo. “Tsy vary stock fa vary vokatra eto an-toerana no nentin’io fiara io ary eny am-pandehanana vao mitady mpivarotra mifandray ny tomponandraikitra ara-barotra”, hoy ny avy ao amin’ny foibem-pitondrana misahana ny fiarovana ny mpanjifa (DPC). Tsiahivina fa nahitam-piakarana hatramin’ny 200Ar ny kilaom-bary eto an-toerana, andro vitsy lasa izay. Antony nahatonga izao fanampiana izao mba hitsinjovana ny Malagasy.
Henintsoa H.