Tsy manam-potoana. Aty an-tany lavitra kanefa mba te hianatra… Vahaolana, fampianarana ampitain-davitra. Manomboka ahitana izany koa ny fampivelarana ny kolontsaina sy ny zavakanto.
«Zoom », anisan’ny fomba hoenti-mampianatra ampitain-davitra maro mpampiasa. Na, atao ao anaty tahiry samihafa, alefa « E-mail », avy eo. Tsy vitsy ihany koa ny mampiasa ny « facebook », sns. Ampahany ihany ireo. Ny iraisana, samy tsy mifanatrika mivantana ny mpampianatra sy ny mpianatra fa mampiasa fitaovana ho mpanelanelana. Mamaly sy mifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny, hono, ny fampianarana ampitain-davitra, satria, zara raha manam-potoana ny te hianatra ka tsy ho afaka ho any an-tsekoly.
Ho an’ny zavakanto sy ny kolontsaina, ahiana ho tari-drano an-kilahila izany ka ny very no betsaka. Mila fanahy « mifamatotra » (mpampianatra sy ny mpianatra) ny fampianarana zavakanto sy kolontsaina raha te hahita vokatra tsara. Hain’ny Malagasy tsara izany ka izay no nahatonga ny kanto fahiny nanana fototra tsara sy nitaiza ary nanabe ny maha olona iray manontolo. Lehibe indrindra amin’izany ny « fanahy no maha olona ».
Asa masina ny fampianarana
Fefy, arofanina, sns, ho an’ny mpianatra ny fisian’ny fifamatoran’ny fanahy eo aminy sy ny mpampianatra. Io no niteraka ny hoe : « asa masina » ny fampianarana. Ho an’ny zavakanto sy ny kolontsaina, miampy izany satria, manana fiantraikany mivantana sy eo no ho eo amin’ny mpianatra ny « tolotra » omen’ny mpampianatra. Mahazo tombony lehibe ny mianatra mitendry gitara mahita mivantana ny mpampianatra azy milalao ny feon-kira « Izahay sy Malala » raha oharina amin’ireo mahita sy mianatra any anaty « facebook ».
… Sahirana sy tsy manam-potoana mianatra zavakanto sy kolontsaina ny Malagasy. Mampanahy ny hoavin’ny maha olona iray manontolo raha mitohy izany! Mila ampidirina any anaty fandaharam-pianarana ny taranja kolontsaina sy zavakanto.
HaRy Razafindrakoto