FANTINA sy FINTINA

Hotanterahina manomboka anio, any Tanza­nia, ny fihaonana an-tampon’ny fampiroboroboana ny maha olona. Anisan’ireo filoham-panjakana afrikanina hiatrika izany ny filoha Rajoelina. Tsiahivina fa efa manana ny “Planina enti-mampandroso an’i Mada­gasikara (PEM)” ny fanjakana ka tafiditra ao anatin’izany ny maha olona.
Nitondra fanazavana mikasika ny diany any Frantsa ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Nambarany fa : “niresaka tamin’ireo mpandraharaha sy mpiara-miombon’antoka no anton’ny nahatongavako aty. Mila vola izahay, mila miasa miaraka aminareo izahay. Ity ny fandaharanasanay hoe Madagasikara Action Plan (Map +).”
Tsy mety ary tsy azo ekena ny anto-bola 200 tapitrisa Ar amin’ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika, araka ny nambaran’ny mpitarika ny vovonana Gasy Leo, Ralaivahiny Frerot. Efa fanakanana ny fahalalahana hirotsa-kofidina amin’ny fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena izany.
Tafakatra maherin’ny 10 ireo mpitarika politika, nanasonia ilay sata ho amin’ny fitsipi-pitondran-tena hiatrehana ny fifidianana. Nambaran’ny eo ani­von’ny FES, fa niainga amin’ireo mpisehatra politika ihany ny volavolan-kevitra amin’izany. Anisan’ny efa nanasonia izany ny Tim, HVM, APM, PSD, Fiom­bonana…

Partager sur: