Fiainana andavanandro : niakatra 8,15% ny vidim-piainana

Mampikaikaika ny mponina ny vidim-piainana amin’izao fotoana izao. Miakatra avokoa ny ankamaroan’ny vidin’entana eny an-tsena. Ny volana mey teo, nahatratra 11,8% ny fisondrotam-bidim-piainana eto amintsika, hoy ny INSTAT.

Niteraka resabe, tamin’ny herinandro, ny tahan’ny fahantrana sy ny vidim-piainana eto Madagasikara. Nanazava ny tale jeneralin’ny Institut nationale de la statistique (INSTAT), Ndremitsara Tarzan, « tsy mbola tafakatra 80% ny tahan’ny fahantrana eto amintsika. Manodidina ny 75 ka hatramin’ny 77% eo izany ». Notohizany fa azo fe­hezina ary mbola voafehy ihany koa ny fiakaran’ny vidim-piainana amin’izao, izay manodidina ny 8,15%. Ny volana mai teo, tafakatra hatrany amin’ny 11,8% ny tahan’ny vidim-piainana teto Madagasikara raha 8,15% tamin’ny taon-dasa, hoy hatrany ny fanazavany. Antony mahatonga izany ny fiakaran’ny vidin-tsolika tampoka, hatramin’ny 40%, ny volana jolay 2022. Niantraika betsaka tamin’ny vidin’entana andavanandro ity taham-piakarana ity. Ambony ary efa mihoatra ny tarehimarika roa, araka ny fanadihadian’ny INSTAT ilay 11,8% voalaza etsy ambony. Voafaritra tamin’ny alalan’ny fiakaran’ny vidim-piainana teo anelanelan’ny volana mai 2022 sy mey 2023 io salanisa io. Ankehitriny, nihena 10% izany hatramin’ny volana jona teo ary mbola hilatsaka hatrany.

Harinkarena faobe
“Marin-toerana ny tahan’ny fiakaran’ny harinkarena faobe tamin’ny taona 2022, izay 4% ary mbola voatazona hatramin’izao io taha io”, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny INSTAT. Niiba 5% ny harinkarena faobe ny taona 2021 noho ny valanaretina covid-19. Amin’ny herintaona kosa vao ho hitan’ny isan-tokantrano tsirairay ilay maha marin-toerana azy izay. Azo atao ny mampitombo ny harinkarena faobe eto amintsika amin’ny alalan’ny fanodinana ireo akora fototra mialohan’ny hanondranana azy. Ahena ny entana afarana avy any ivelany ary hampiroboroboina ireo sehatra mampidi-bola toy ny fizahantany sy ny fanondrana entana.

Henintsoa Hani

Partager sur: