Nankalazaina ny zoma sy sabotsy teo, tany amin’ny faritra Itasy, kaominina Miarinarivo, ny Andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny kaoperativa (JIC), tamin’ity taona ity. Nanamarika ireo roa andro ireo ny fifanakalozana amin’ireo mpandraharaha matihanina sy ny mpitantsoroka ary ny mpanohana ara-bola sy ara-teknika. Teo ihany koa ireo famelabelaran-kevitra narahina ady hevitra ary ny fifampifandraisana ireo kaoperativa amin’ny mpanohana samihafa (B to B). Nisy koa ireo tranoheva manodidina ny 50 isa naneho ny voka-pihariany avy. Tanjona tamin’ity hetsika ity ny hanome angovo vaovao ho an’ny kaoperativa manodidina ny 400 isa ao amin’ny faritra Itasy. Fotoana ihany koa nahafahan’ireo orinasa kaoperativa nifandray tamin’ny mpanohana samihafa. Natao izao mba hahafahan’izy ireo mifampiresaka mivantana amin’ny mpisehatra matihanina sy manome tolo-kevitra ho fampandrosoana ny seha-pihariana.
Manohana
Manodidina ny 3 508 eo ny kaoperativa manerana ny Nosy. 2 435 amin’ireo manao seha-pamokarana voalohany, 380 amin’ny seha-pamokarana faharoa ary 693 amin’ny seha-pamokarana fahatelo. “Vonona hiantsoroka ny orinasa kaoperativa ho amin’ny fampandrosoana maharitra eny ifotony ny rafi-panjakana”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria, sy ny varotra ary ny fanjifana, Rakotondramanana Onja Miandry, nandritra ny lahateniny. Nifanome tanana tamin’ny minisitera ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka, toy ny tetikasa “PAISF” (Projet d’Appui à l’Industrialisation et au Secteur Financier), ny NCBA CLUSA, ny GIZ Prada, tamin’ny fanatontosana ny hetsika JIC 2023.
Henintsoa H.