Jiujitsu-Grand Open Mada NOGI : Klioba 13 no handray anjara

Hatao ny 5 aogositra izao, eny amin’ny Batou Beach Ambohimanambola, ny fifaninanana Jiujutsu Brésilien “Grand Open Mada NOGI”. Klioba miisa 13 no hifaninana, ahitana ny Attila, Base, BJJ Esca, CBC 101, Checkmat, Estrela, Felana, Freefight, Guereros, One Tribe Tana, One Tribe 501, Southside ary ny Yoseikan Budo. Ny Club 101 Jiu Jutsu no mikarakara ity fifaninanana ity izay efa tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny JiuJutsu Bré­silien. Natao ihany koa ho fanomanana ny Malagasy mpikatroka amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena miandry. Tsiahivina, efa nisy ny fi­faninanana voalohany natao tamin’ity ho an’ny taranja Jiu­Jutsu, izay natao teny Soa­rano, ny volana jona lasa teo. Mbola hisy ihany koa ny ma­naraka aorian’ity « Grand Open » ity. Ao anatin’ny fanapariahana sy fampahafanta­rana bebe kokoa ny taranja amin’izao ny federasiona ka miezaka ny manao hetsika maro amin’ity taona ity. Raha hiverenana ny mahakasika ny « Grand Open Mada NOGI”, hanomboka amin’ny 9 ora ny fotoana eny Ambohimanam­bola. Ankoatra ny fifaninanana JJB NOGI, hisy fanentanana maro eny an-toerana.

Mi Raz

Partager sur: