Kaominina Toamasina: mitaky fiovam-penitra mahery vaika ny fampandrosoana

Anisan’ny renivohitra ara-toekaren’ i Madaga­si­ka­ra i Toama­sina. Faritra iray, ifangaroan’ny foko maro samihafa ihany koa. Samy manana ny fomba fahitany ny fandrosoan’ny tanàna avokoa ireo rehetra ireo.

“Tsy mifandanja ny zava-misy any an-toerana satria somary takona ny maha renivohitra ara-toekaren’i Madagasikara azy”, hoy ny ben’ny Tanàna voafidy tao Toamasina, Rako­tonirina Nantenaina Herilala. Nilaza izy fa tsy mifandanja amin’ny zava-misy ataon’ ireo orinasa lehibe (seranan-tsambo, tetikasa Ambatovy…), satria tsy hita taratra ao amin’ ny kaominina sy ny mponina ny antom-pisiany sy ny tamberin’andraikiny. Tsy mandray anjara amin’ny fanorenana fotodrafitrasa ilain’ny kaominina sy mponina any an-toerana ny fanitarana ny seranan-tsambo. Nambarany fa tsy foko Betsimisaraka irery ny mponina any Toamasina fa hita any avokoa ny fifangaro­an’ny Malagasy rehetra. Samy manana ny fomba fiainany ary ny fahalalany ny atao hoe fandrosoana avokoa izy rehetra ireo. Mitaky fiovam-penitra mahery vaika isika, amin’ny alalan’ny firaisankinan’ny re­he­tra, raha tiana ny handroso. “Ilaina fiovam-penitra mahery vaika amin’ny lafin-javatra maro ny fampandrosoana an’ i Toamasina” hoy hatrany ny ben’ny Tanàna. Atomboka amin’ny fametrahana ny lan­jan’ny raiamandreny ara-drazana, fanatsarana ny fasan’ny mahery fo, sy ara-pinoana maro samihafa, ny mpanankato,ny zanaka am-pielezana isaky ny foko izany. Mora ny hametrahana ny fiovam-penitra mahery vaika hampandrosoana ny kaominina rehefa resy lahatra amin’ireo rehetra ireo ny tsirairay.

Maro ny fifanaraham-piaraha-miasa vita sonia sy na­hazoana famatsiam-bola avy amin’ny mpamatsy vola isan-karazany. Amboarina ny tsenan’i Bazarikely sy fampiakarana ny lalana manoloana izany. Amboarina ihany koa ny tatatra fanariana rano maloto eny anivon’ny tsena. Harenina avokoa izany ao anatin’ny fotoana fohy. Ankoatra izay, hamoronana sy omena asa ny tanora amin’ny alalan’ny fampiofanana azy ireo amin’ny lafiny rehetra. Toy ny fampianarana teny vahiny (Anglisy, fanaovana digitalisation ny sora-piankohonana).

Hatsaraina ny sosialy
Hisy ny orinasa lehibe mpanodina fako ho lasa biogaz sy zezika ho azon’ny tantsaha ampiasaina, izay hatao ao Antanandava. Efa nahazo ny “Padef” voalohany sy faharoa isika hanatsarana sy handaminana ny lafintany (plan d’urbanisme). Hatsaraina iha­ny koa ny fomba fiasa sy ny fitantanana eo anivon’ny kaominina ary ny Lakandranon’i Pangalana ho mendrika ny mpizahatany.

Dinihina mandritra ny filankevitra kaominaly any an-toerana ny fikaroham-bahaolana manoloana ny hetraketraky ny natiora misy ankehitriny. Tonga nanatrika izany, ny kolonely Andriamanalinarivo Rakoto Rémi Rolland, lefitra voalohan’ny sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny CPGU. Nambarany fa anisan’ny nangatahan’ny ben’ny Tanàna ny hikaroham-bahaolana hiarovana ny ain’ olona any an-toerana.

Fanoherana ataon’ireo nanohana

Ravan’ny hetraketraky ny natiora matetika i Toamasina. Mitady toerana malalaka hanaovana trano lehibe mahazaka olona hatramin’ny 1000 isa izy ireo, araka izany. Tsy maintsy hofenoina fitaovana (fandriana, kidoro…) izany. Mba hametrahana ireo olona niharam-boina sy hametrahan’entana ary hanaovana fivoriana ihany koa amin’ny andavanandro. Nahafahana manao izany ny famatsiam-bola avy amin’ny AFD. Ezahina ny hampiditra ireo mpiasan’ny kaominina ao amin’ny “E- Poketra”, raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Poste. Mba hialana amin’ny filaharambe eny amin’ny fitantanam-bolam-panjakana.

Mitsangana manohitra ny fanatanterahan’ny ben’ny Tanàna ireo asa ireo, ny mpiray antoko amin’ny fikambanana sy ireo niara-nilatsaka taminy nandritra ny fifidianana kaominaly farany teo ary ireo nanampy sy nanohana azy ho voafidy hitondra ny kaominina. Anton’izany, ny fahatsapan’izy ireo fa tsy mandeha sy tsy manara-dalàna ny fitantanana ny kaominina. Ny fahataran’ny karaman’ny mpiasa an-tselika sy fanorenana trano tsy ara-dalàna. Ny fahapotehan’ny lalana sy fikorontanan’ny fifamoivoizana sy ny tsy fifanarahan’ny samy mpiasa mitantana ny kaominina.

Partager sur: