Kitra malagasy : niverina Paris FC i Bôlida

Nantsoin’ny Paris FC klioba frantsay, hanao mpanazatra mpanampin’ny Paris FC, sokajy U-19, i Lalaina Nomenjana­hary na i Bôlida, Malagasy mpilalao baolina kitra. Araka ny fikarohana natao, omaly, manana diploma roa izy, dia ny fitantanana ara-panatanjahantena sy ny “Brevet d’Entraîneur de Foot-ball” (BEF).
Tsiahivina fa efa tafiditra tao anatin’ny Staff-n’ny ekipam-pirenena malagasy i Bôlida, tamin’ny fotoana nitantanan’i Nicolas Dupuis, teknisianina frantsay, ny Barea.
Araka ny filazan’i Bôlida, maro ny sedra nolalovany vao tonga amin’izao toerana izao ny tenany. Maro ny fiofanana noraisiny nandritra ny fampiofanana mpanazatra nataony tany ivelany, anisan’izany ny hoe “ Mila vonona alohan’ny mpilalao ny mpanazatra ary mila manana fijery hafa noho ireo mpilalao eny ambony kianja.” Tsara ny mampahafantatra fa, Bôlida, anisan’ireo mpilalao nanandratra avo ny Barean’i Madaga­sikara nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika “Can”, tany Egypte, ny taona 2019.

Fitia

Partager sur: