Matevina ny delegasiona avy atsy La Réunion ho avy eto Madagasikara hiatrika ny lalaon’ny Nosy 2023. Handraisan’izy ireo anjara avokoa ny taranja 19 hifaninanana.
1 volana mialoha ny fanombohan’ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ ny Nosy (JIOI 2023) isika, anio. Fihaonana hotanterahina eto Madagasikara. Nambaran’ny gazety « Journal de l’ile de La Réunion », nivoaka omaly alatsinainy, fa hatevina ny delegasiona renione hiatrika izany. Mahatratra 452 mianadahy ny isan’ireo atleta hanafika eto Madagasikara amin’ ity. Voalaza fa ahitana azy ireo avokoa ny taranja miisa 19 hifaninanana. Tsy manao ambanin-javatra ity lalao ity ry zareo fa vonona ny handrombaka medaly volamena farany izay betsaka ary haka ny laharana voalohany. Porofon’ izany, 268 mianadahy mianaka ireo tomponandraikitra teknika manara-dia ny delegasiona. Efa manana traikefa tanteraka izy ireo ka 80 mpanomana ara-batana,
7 mpitsabo, 15 kinésitherapeutes (otra), 2 ostéopathes (misahana ny resaka taolana). Hiaraka hipetraka amin’ireo atleta izy rehetra ireo. Araka ny fandaharam-potoana, ho tonga ny 24 aogositra ho avy izao, ry zareo renione ary eny amin’ ny Paon d’or Ivato, no hitobiany.
Fantatra fa nanokana lelavola 1,7 tapitrisa Euros na 8,5 miliara Ar ho fanomanana ireo atletany ny komity olympika rezionalin’i La Réunion, ho an’ny fandehanan’ny delegasiona mihazo an’i Madagasikara. Ny kaompaniam-pitaterana Air Austral no hitondra azy ireo, amin’izany.
Tompondaka