Indray mipi-maso! maty izy mianaka rehefa avy nankalaza ny fahafito taonany ilay zazalahikely. Nanatitra fiara, niampita arabe izy sy ny reniny no voafaokan’ny fiara 4X4.
Sesilany ny lozam-pifamoivoizana nandratrana sy namoizana ain’olona ao Toamasina. Teo anoloan’ny hopitaly manara-penitra, afakomaly hariva. Renim-pianakaviana iray nitantana ny zanany lahy fito taona no indray nofaohin’ny fiara teo amin’ny arabe. Vao avy nankalaza ny tsingerin-taonan’ity zanany ity izy ireo ka nanatitra fiara tao amin’ny tokotaniben’ny hopitaly. Teo am-piandrasana posy hamonjy fodiana no tsy nanampo na inona na inona izy mianaka. Mbola nandoa vola hofan’ny toeram-piantsonana amin’ny mpiandry ny hopitaly kosa ny rain’ity ankizy niharam-boina ity. Tampoka teo, fiara 4×4 iray avy any Salazamay atsimo nandeha mafy ka nandona Bajaj sy posy iray ary nifatratra tany amin’izy mianaka. Maty tsy tra-drano ilay ankizilahy zanany raha mbola nosokirina teo anelanelan’ny fiara sy ny rindrim-baton’ny hopitaly ny reniny. Mpianaka ireo tao anaty fiara, zanany lahy tsy ampy taona sady efa mamo no nampitondrainy ilay fiara, araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana.
Notetezin’ny kamiaobe
Maty tsy tra-drano koa ny vehivavy iray nitondra moto scooter tao Tanandava amin’ ny sampanan-dalana mihazo an’Ambatovy, omaly tamin’ny 4 ora tolakandro. « Avy any Toamasina ilay moto raha toa feno entana ary nikasa hiakatra ho any Antananarivo io kamiao io », hoy ny fanazavan’ny zandary misahana ny fanadihadiana ao an-toerana. Nitsofoka tampoka ilay moto kanefa ilay kamiao no voalaza ho
« prioritaire ». Tsy hitan’ny mpamily intsony, arak’izany, io vehivavy io, noho izy takona. Vokany, notetezin’ilay kamiaobe ny vatan’ilay vehivavy. Nisaraka tamin’ny vatany ny ampahan-tongony. Nipitika ilay moto. Avy nanatitra ny vadiny hiasa ity vehivavy ity izao maty voahosin’ny kamiao izao.
Sajo/Tsiferana R.