Mivondrona ho iray ny mpianatra anatin’ny fikambanana 9 eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, omaly, ka nanao fanambarana iraisana. Manome 72 ora ny tomponandraikitra izy ireo handoavana ny vatsim-pianarana ho an’ny taom-pianarana 2021-2022 sy tamin’ity taom-pianarana 2022-2023 ity.
Mangataka ny tsy hisian’ ny fahatapahan’ny fianarana intsony satria efa tena lany fotoana maro. Tsy tapitra, araka ny fe-potoana tokony ho izy akory, ny fampianarana noho ny fahatapahana lava ateraky ny fitokonan’ny mpampianatra.
Eo koa ny fangatahan’izy ireo ny fijerena akaiky ny fotodrafitrasa izay efa tena tranainy kanefa dia miantoka ny fampianarana sy ny fahatomombanan’ny fikarohana atao izany. Ankoatra izany, nanaovan’ireo mpianatra tsindrim-peo ny mikasika ny fahatapahan-jiro lava sy ny fampitaovana ny anjerimanontolo amin’ ny ankapobeny.
Ankoatra ireo, ny tokony hanamafisana ny fandriampahalemana eny an-toerana satria mandry andriran’antsy ny mpianatra manoloana ny gaboraraka tafahoatra eny.
Miray feo ao anatin’ny fanambarana iombonana ny AESM, AEGM, AEDECOUA, AEDM, AEFLSH, AEIAM, SENS, FMSA ary ny AEFMA.
Tatiana A