Nihorohoro ny mponina teny Ankasina : lasa ny volabe, jiolahy efatra nanafika mpanao Cash point

Nirefotra indray ny basin’ ireo jiolahy nandritra ny fanafihana mpanao Cash point iray eny Ankasina, omaly tamin’ny 7 ora hariva. Jiolahy efatra nirongo basy mahery vaika no tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Tampoka ny fisehoan’ny fanafihana satria ny roa tamin’ireo jiolahy niditra tao amin’ilay Cash point raha niandry teny ivelany kosa ny roa lahy. Tsy nanampo na inona na inona rahateo ireo niharan’ny fanafihana satria efa teo am-panidiana ny trano no niseho ity fanafihana ity. Nanambana basy ilay mpanao Cash point ireo olon-dratsy sady nitaky ny vola. Lasa da­holo ny vola rehetra tany amin’ ilay niharam-boina. Hatramin’ izao aloha tsy mbola fantatra mazava ny totalin’ny vola lasa fa amina tapitrisany izany, araka ny fanazavan’ireo niharan’ny fanafihana. Nanapoaka basy kosa ireo jiolahy rehefa avy nandroba mba hanaparitahana ireo olona mba hahafahan’izy ireo mitsoaka. Taitra avy hatrany ireo olona teo amin’ny manodidina ka nitsoaka raha vao nandre ny poa-basy. Fantatra fa efa avy nanafika mpanao taxi-phone iray sy toeram-pivarotana enta-madinika teny 67 ha ireto jiolahy ireto mialoha ity fanafihana teny Ankasina ity. Na teo aza anefa izany, tsy nisy ny aina nafoy na naratra. Lasa nitsoaka nihazo ny elakelatrano eny amin’ny tany mainty ry zalahy nahazo ny vola. Fantatra izao fa anisan’ireo toerana fieren’ny jiolahy eny Ankasina sy 67 ha iny.

Jean Claude

Partager sur: