Anisan’ny varotra mandeha amin’izao vanim-potoana izao ny tsenan’ny sinibe fitehirizan-drano. Tato anatin’ny volana vitsy, betsaka ireo mpanjifa azy ireny. Indrindra ireo olona mipetraka amin’ny toerana saro-drano na koa tsy tongan’ny rano intsony. Mitady azy ireo koa ireo olona mipetraka eny amin’ny toerana avo sy manodidina an’Antananarivo ary ireo avy any amin’ny faritra. Manodidina ny 40 000Ar ka hatramin’ny 700 000 Ar ny vidin’ny sinibe fitehirizan-drano. Mahalafo telo na efatra isan’andro eo ho eo ny mpivarotra iray, hoy i Sariaka, mpivarotra etsy Ampefiloha. Vidiana 40 000Ar ireo sinibe 40l raha 60 000Ar kosa ny 60l. Manodidina ny 80 000Ar ireo siny manga 120l ary 120 000Ar ireo 200l. Mitentina 130 000Ar ny siny 250l raha mahatratra hatramin’ny fito hetsy kosa ireo siny fotsy 1 000l.
Diovina
Mandalo dingana maro ny fanadiovana ireo siny mangabe isan-karazany. Antony tena mahalafo azy ireny, hoy ny fanazavan’ireo mpivarotra. Fitehirizana akora samihafa ny fampiasan’ireo orinasa mpamokatra izany. Voatery manadio amin’ny rano mangotraka intelo na inefatra miaraka amin’ny vovo-tsavony ny mpivarotra iray vao afaka manolotra izany amin’ny mpanjifa. Tsy atahorana ny tsy fahampian’ny entana, betsaka ireo orinasa mamoaka sinibe isan’andro, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Henintsoa H.