SOMBIM-BAOVAO

Kylian Mbappe, Frantsay mpilalao baolina kitra, vo­nona hanolotra vola maherin’ny 300 tapitrisa euros ho azy ny klioba Al Hilal Arabie Saoudite. Hatramin’ izao, tsy maneho ny heviny mihitsy ity kintan’ny klioba PSG ity. Marihina fa maniry ny ho any amin’ny Real Madrid Espaina, ny lehilahy.
Kitra –JIOI, hotanterahina ny alahady ho avy izao, any Mahajanga, ny fifanandrinan’i Madagasikara sy ny Nosy Mayotte. Lalao ara-pirahalahiana fanoma­nana ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay hatao eto amintsika, ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao izy ity. Marihina fa ny alahady teo, resin’ny Barea tamin’ny isa 2 no ho 1 ny ekipa voafantin’i Boeny.
Judo-Afrika Cadet/Junior. Efa mivondrona miaraka eto Antananarivo avokoa ireo malagasy mpikatroka, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Cadet sy Junior, taranja Judo. Rasoanaivo Razafy Laura irery sisa no andrasana, izay mbola niatrika fiofanana tany Belgique. Ny 27 jolay no hanomboka ny fifaninanana eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
Tolona-JIOI. Nihaona tamin’ny minisitra miisa telo ny eo anivon’ny taranja tolona, nanomboka ny faran’ny herinandro. Ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ireo minisitra mpiahy, ny Mesupres sy ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fananantany izany, izay nanome fanohanana ho an’ny malagasy mpikatroka hiatrika ny lalaon’ny Nosy.

Partager sur: