Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny “Festival Dona Be”, tao Antsohihy. Vao andiany voalohany, saingy efa nahasarika ny mponina ity hetsika nokarakarain’i Dadi Love ity. Efa nahavory mpanakanto sy mpankafy maro ny hetsika, ka nampanantena i Dadi Love fa hitohy izany ary efa ho avy ny andiany faharoa.
Tafahaona any Frantsa indray ry Lota. Tarika iray niforona tany amin’ny 45 taona lasa. Efa namoaka ny kapila “Taonina iraiky” izy ireo tamin’izany. Nanana ny lalany avy eo i Tselonina, raha toa ka somary nangingina i Yves Rakotondrabe sy i Parany Ramaromisa. Tsy nisy niala tamin’ny mozika anefa, ary fantatra fa hiaka-tsehatra ao Paris izy ireo, ny sabotsy izao.
Handeha ao amin’ny Plaza Ampefiloha ny “Malok’Ila Le grand retour”. Maro ireo tsy mbola nahita ity sarimihetsika manamarika indray ny fiverenana sy tohin’ny tantaran-dry Rajao Mianakavy ity, ka alefa indray ny sabotsy izao izany, amin’ny 1 ora sy sasany sy amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Vokatry ny fiaraha-miasan’ireo trano mpamokatra Scoop Digital, LH Pro, Eto Studio ary House Com izany.
Mitohy ny fiofanana momba ny fikirakirana, fikajiana, fitantanana ny arsiva. Hanomboka ny 7 aogositra ka hatramin’ny 11 aogositra izao ao amin’ny Foiben’ny arsivam-pirenena Tsaralalana. Manomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina ka hatramin’ny 1 ora tolakandro no hanatrehina izany ho an’ireo rehetra liana.