Mitohy ny fidangan’ny vidim-piainana. Iharan’izany ny fitaterana izay mampiakatra ny saran-dalany koa ankehitriny. Mizaka ny vokany ny mpanjifa tsy misy mpiaro.
Nanaraka ihany koa ! Nampiakatra 5% ny saran-dalany ny kaoperativa mankany amin’ny faritra, nanomboka ny sabotsy 22 jolay teo. Tsy niandry ela, fa nanara-davahana koa ny taxi-be eto an-drenivohitra, mivondrona ao anatin’ny Fiombonan’ny kaoperativa mpitatitra an-tanàn-dehibe (UCTU). Nanapa-kevitra samirery izy ireo fa hampiakatra ny saran-dalana ho 800 Ar manomboka amin’ny 1 aogositra 2023 ho avy izao. Efa misy ny mpitatitra sasany efa nametraka petadrindrina manambara io fiovan’ny saran-dalana io, toy ny kaoperativa 154, na tsy nosoratany mazava aza ny 800 Ar.
Nilaza kosa ny tomponandraikitra iray ao amin’ny Fikambanan’ny mpitatitra eto Antananarivo (FMA), R. David, ahitana ny 192, ny109, ny 163, …, fa fanapahan-kevitra samirerin’ny UCTU io noraisiny io. « Tsy mbola nidinika mikasika ny hampiakatra na tsia ny saran-dalana izahay ato amin’ny FMA », hoy izy.
Fony nisondrotra ny vidin-tsolika
Tsy mbola naneho hevitra ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fitaterana manoloana ireo fisondrotry ny saran-dalana ireo. Raha tsiahivina, niakatra ny saran-dalana tamin’ny volana jolay 2022 toy izao, rehefa nisondrotra ny vidin-tsolika. Nahatratra 1 000 Ar ny vinavinan’ny UCTU, nidina ho 800 Ar, saingy nantsoin’ny filoha Rajoelina teny Ambohitsirohitra izy ireo, ka nijanona ho 600 Ar. Ankehitriny, tsy nihetsika ny vidin-tsolika, nanapa-kevitra samirery hampiakatra ho 800 Ar ny UCTU.
Mizaka ny vokany mivantana ny mpandeha. Tsy hita ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sady kely hery, satria tsy mahavita miaro ny besinimaro manoloana izao fidangan’ny vidin-javatra samihafa izao.
Njaka Andriantefiarinesy